
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manome lanja lehibe ny sehatra mifandraika amin’ny diplaomasia ara-panatanjahantena sy ny tanora. Ny alakamisy 24 jolay dia nisy ny fivoriana ampitain-davitra teo amin’ny Minisitra Moustapha Marson sy ny Sekretera Jeneraly Lefitra misahana ny Tanora ao amin’ny Firenena Mikambana, Andriamatoa Felipe Paullier sy ramatoa Shihui Liu, mpiara-miasa aminy
Ny tanjon’ity fivoriana ity dia ny fanomanana sy fandrindrana ny YouthConnekt Africa Summit 2025, izay mikendry ny fanatsarana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tanora sy ny sehatra iraisam-pirenena. Voaresaka ihany koa ny fankalazana ny « 30 taonan’ny fandaharanasa iraisam-pirenena ho an’ny tanora », ary koa ny fanomanana ny andro manokana ho an’ny tanora, izay ho tanterahina mandritra ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana amin’ny volana septambra ho avy izao.