Fanomanana ny YouthConnekt Africa Summit 2025

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manome lanja lehibe ny sehatra mifandraika amin’ny diplaomasia ara-panatanjahantena sy ny tanora. Ny alakamisy 24 jolay dia nisy ny fivoriana ampitain-davitra teo amin’ny Minisitra Moustapha Marson sy ny Sekretera Jeneraly Lefitra misahana ny Tanora ao amin’ny Firenena Mikambana, Andriamatoa Felipe Paullier  sy  ramatoa Shihui Liu, mpiara-miasa aminy

Ny tanjon’ity fivoriana ity dia ny fanomanana sy fandrindrana ny YouthConnekt Africa Summit 2025, izay mikendry ny fanatsarana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tanora sy ny sehatra iraisam-pirenena. Voaresaka ihany koa ny fankalazana ny « 30 taonan’ny fandaharanasa iraisam-pirenena ho an’ny tanora », ary koa ny fanomanana ny andro manokana ho an’ny tanora, izay ho tanterahina mandritra ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana amin’ny volana septambra ho avy izao.

Autre Articles

Fihaonana COP 30 any Brésil

Fihaonana COP 30 any Brésil

Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré izay tanterahina any Belém Brésil. Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fandraisana anjara satria manana anjara...