Fankasitrahana manokana ireo atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena

Naneho fankasitrahana sy fahatsiarovana manokana ho an’ireo atleta malagasy izay nanandratra avo ny voninahi-pirenena teo amin’ny sehatra ara-panatanjahantena ny Fitondram-panjakana, eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA.

Natao tao Mahajanga ny 7 jolay 2025 ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo kintan’ny fanatanjahantena malagasy fahiny avy ao an-toerana, notarihin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MOUSTAPHA Marson.

Nandritra ny lahateny fohy nataony dia nanamafy ny Minisitra fa: « Santatra am-bavarano ihany ity andiany voalohany ity, fa mbola hisy ny tohiny. Tsy voafetra ho an’ny faritanin’i Mahajanga ihany izany, fa mahakasika an’i Madagasikara manontolo. »

Ity hetsika ity dia maneho ny fanohanan’ny fitondrana ireo mpanao fanatanjahantena nahavita be ho an’ny firenena.