Fankasitrahana manokana ireo atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena

Naneho fankasitrahana sy fahatsiarovana manokana ho an’ireo atleta malagasy izay nanandratra avo ny voninahi-pirenena teo amin’ny sehatra ara-panatanjahantena ny Fitondram-panjakana, eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA.

Natao tao Mahajanga ny 7 jolay 2025 ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo kintan’ny fanatanjahantena malagasy fahiny avy ao an-toerana, notarihin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MOUSTAPHA Marson.

Nandritra ny lahateny fohy nataony dia nanamafy ny Minisitra fa: « Santatra am-bavarano ihany ity andiany voalohany ity, fa mbola hisy ny tohiny. Tsy voafetra ho an’ny faritanin’i Mahajanga ihany izany, fa mahakasika an’i Madagasikara manontolo. »

Ity hetsika ity dia maneho ny fanohanan’ny fitondrana ireo mpanao fanatanjahantena nahavita be ho an’ny firenena.

Autre Articles

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin'ny kianjan'ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin'ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin'ny...