Ekipam-pirenena Ankoay : nomen’ny minisitra tsodrano hiatrika ny FIBA 3×3 Africa Cup

‎Noraisin’ ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré, ny zoma 5 desambra 2025, ny ekipam-pirenena ANKOAY. Nitsodrano sy nankahery azy ireo ny Minisitra izay nisolotena ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika.

‎Ora vitsy mialoha ny fanombohan’ny FIBA 3×3 Africa Cup 2025, izay atao ny 5 ka hatramin’ny 7 desambra 2025, dia nandefa hafatra fanohanana sy fanentanana ho an’ireo mpilalao ny Minisitra.

‎Nankasitrahany ny ezaka sy finiavana ataon’izy ireo ary nampirisihany ny rehetra hanome izay tsara indrindra hoenti-mampiakatra avo ny voninahi-pirenena.

‎Nohamafisin’ny Minisitra fa ny tanjona dia ny hazaohana ny amboara ary ny hijanonan’izany eto Madagasikara.