Ekipam-pirenena Ankoay : nomen’ny minisitra tsodrano hiatrika ny FIBA 3×3 Africa Cup

‎Noraisin’ ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré, ny zoma 5 desambra 2025, ny ekipam-pirenena ANKOAY. Nitsodrano sy nankahery azy ireo ny Minisitra izay nisolotena ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika.

‎Ora vitsy mialoha ny fanombohan’ny FIBA 3×3 Africa Cup 2025, izay atao ny 5 ka hatramin’ny 7 desambra 2025, dia nandefa hafatra fanohanana sy fanentanana ho an’ireo mpilalao ny Minisitra.

‎Nankasitrahany ny ezaka sy finiavana ataon’izy ireo ary nampirisihany ny rehetra hanome izay tsara indrindra hoenti-mampiakatra avo ny voninahi-pirenena.

‎Nohamafisin’ny Minisitra fa ny tanjona dia ny hazaohana ny amboara ary ny hijanonan’izany eto Madagasikara.

Autre Articles

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin'ny kianjan'ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin'ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin'ny...