Fanombohana ofisialy ny rafitra nomerika « iParticipate » eto Madagasikara

Notanterahina ny talata 22 jolay 2025 tao amin’ny QG Tanora, Ankorondrano, ny lanonana fampahafantarana ofisialy ny rafitra nomerika « iParticipate », izay manamarika dingana lehibe eo amin’ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny teknolojia eto Madagasikara.

Nisy ny fiofanana naharitra folo andro izay nitambaran’ireo tanora mpandray anjara avy amin’ny renivohim-paritra enina manerana ny nosy. Taorian’io fiofanana no natsangana ny ekipa « iParticipate », vonona tanteraka handrindra sy hitantana ity rafitra nomerika ity.

Tetikasa tarihin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny PNUD Madagascar ny « iParticipate » ary notohanan’ny Masoivohon’i Soisa. Naneho fanohanana sy fahavononana hiara-hiasa amin’ny fanohanana ny fandraisana anjaran’ny tanora sy ny vehivavy amin’ny sehatra ara-panjakana sy ara-politika ireo mpiara-miombon’antoka ara-panjakana sy ara-diplaomatika tonga nanatrika.

Nisy ny hafatra manokana ho an’ny tanora malagasy avy amin’Andriamatoa Moustapha Marson, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : « Ry tanora, aza matahotra manonofy lavitra. Ankehitriny no anorenantsika ny ho avy, miaraka aminareo ! »

Ho azo idirana tsy ho ela amin’ny endrika « application » amin’ny finday ny rafitra « iParticipate ».