Fanombohana ofisialy ny rafitra nomerika « iParticipate » eto Madagasikara

Notanterahina ny talata 22 jolay 2025 tao amin’ny QG Tanora, Ankorondrano, ny lanonana fampahafantarana ofisialy ny rafitra nomerika « iParticipate », izay manamarika dingana lehibe eo amin’ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny teknolojia eto Madagasikara.

Nisy ny fiofanana naharitra folo andro izay nitambaran’ireo tanora mpandray anjara avy amin’ny renivohim-paritra enina manerana ny nosy. Taorian’io fiofanana no natsangana ny ekipa « iParticipate », vonona tanteraka handrindra sy hitantana ity rafitra nomerika ity.

Tetikasa tarihin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny PNUD Madagascar ny « iParticipate » ary notohanan’ny Masoivohon’i Soisa. Naneho fanohanana sy fahavononana hiara-hiasa amin’ny fanohanana ny fandraisana anjaran’ny tanora sy ny vehivavy amin’ny sehatra ara-panjakana sy ara-politika ireo mpiara-miombon’antoka ara-panjakana sy ara-diplaomatika tonga nanatrika.

Nisy ny hafatra manokana ho an’ny tanora malagasy avy amin’Andriamatoa Moustapha Marson, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : « Ry tanora, aza matahotra manonofy lavitra. Ankehitriny no anorenantsika ny ho avy, miaraka aminareo ! »

Ho azo idirana tsy ho ela amin’ny endrika « application » amin’ny finday ny rafitra « iParticipate ».

Autre Articles

Tanora salama, antoky ny fampandrosoana.

Tanora salama, antoky ny fampandrosoana.

Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manome lanja ny fahasalamana sy ny fiarovana ny tanora malagasy. Ho fampiharana izany, ny Fitaleavana misahana ny Fahasalamana Ara-pananahana sy ny Fiarovana ny Tanora (DSRPJ) dia nanatanteraka fiofanana momba ny...