Volley-ball U-16 : Vonona ireo zatovovavy malagasy hiaro ny voninahim-pirenena any Tunis

Notoloran’ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina ny tapakila, ny vatsin-dalana, ary ny anto-bola ho fandraisana anjara amin’ny « Championnat d’Afrique des Nations» ireo mpilalao Volley-ball zazavavy. Notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny lanonana tsotra nanamarika izany ny alakamisy 21 aogositra 2025. Nampiarahana tamin’ny tso-dranon’Andriamatoa Minisitra, Moustapha Marson.

Tsiahivina fa ho tanterahina ny 22 hatramin’ny 31 aogositra 2025 ho avy izao ny fifaninanana, hiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy zazalahy sy zazavavy latsaky ny 16 taona izay hatao any Tunisie.

Nohamafisin’ny Minisitra tamin’izany ny fanomezan-danja ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ireo lalao iraisam-pirenena, avy amin’ny fitondram-panjakana.

Tsy hisy mihitsy ny federasionina na taranja ara-panatanjahantena hohadinoina hoy hatrany ny minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany.