Tshwane Cadet African Cup 2025 : Randrianaivo Hajaina nitondra medaly volamena ho an’i Madagasikara

Nahazo vokatra tsara i Madagasikara tamin’ny alalan’i Randrianaivo Hajaina tamin’ny fandreseny sy nahazoany medaly volamena sokajy -50 kg nandritra ny Tshwane Cadet African Cup 2025, izay natao ny 28 jona tao Pretoria, Afrika Atsimo.

Nifanehatra tamin’ny Afrikana Tatsimo Kortjie Branwill izy  tamin’ny famaranana, ka nahazo « Waza-ari » in-droa  nandritra ny ady izay naharitra 6 minitra sy 50 segondra ka nahazoany fandresena.

Io no medaly volamena afrikanina voalohany azony hatramin’izay, ary maneho fandrosoana sy fivoaran’ny tanora mpanao judo malagasy, izay manomboka maka toerana manan-danja eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Miarahaba manokana an’i Randrianaivo Hajaina sy ireo mpanazatra ary ny Federasiona Malagasy Judo ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihin’Andriamatoa Moustapha MARSON MOUSTAPHA Abdulah, noho ity fandresena lehibe ity izay mampiakatra avo ny voninahim-pirenena.