
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny tsenaben’ny tanora andiany faharoa, tetsy amin’ny tokontany malalaky ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, ny 13 aogositra 2025, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Moustapha Marson. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora.
Nankasitraka ny mpiara-miasa, tsy misaraka amin’ny Minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tsy ankanavaka ny minisitra. » Toy ny rano sy vary isika amin’ireo tetikasa lehibe iandraiketan’ny Minisitera, mifanaraka amin’ny politika napetraky ny fitondram-panjakana izany. », hoy izy.
Ahitana tranoeva miisa 100 ny tsenabe ary tanora avokoa ny 90 amin’ireo mpampiranty. Ahitana ny fandraisan’anjaran’ireo orinasa mpiara-miasa, mpanohana, ary mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra samihafa koa teny an-toerana.