Tranoben’ny tanora Ambohidratrimo: tontosa ny atrikasa mahakasika ny firotsahana antsehatry ny olom-pirenena notarihan’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo loharano II

Tanora lahy sy vavy avy amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo sy ny Fikambanana samihafa toy ny VTI TMV Ts’art sy ny VTI TMamiratra no namaly ny antso ary nandray anjara mavitrika tamin’ny atrikasa notarihan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo Loharano II ny alakamisy 4 septambra 2025 tao amin’ny Tranoben’ny Tanora Ambohidratrimo. Nisy ihany koa ny tatitra mahakasika ny fakan-kevitra nasionaly TMamiratra izay nanombohan’ny Fitaleavana misahana ny Fampamirapiratana ny Tanora eo amin’ny sehatra Iraisampirenena ny hetsika.

Masoandro Tandrify RAZAFIMAHEFA sy Anja Mahery ANDRIANALISAONA, tanora mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Fandaharanasa Loharano II, no nitarika ireo tanora toa azy tao anatin’ity

atrikasa fifanakalozankevitra mifandraika amin’ny zavamisy iainan’ny tanora ity. Nisy ihany koa ny fitarihana azy ireo amin’ny fandrafetana tetikasa tamin’izany.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Abdulah MARSON MOUSTAPHA dia mankasitraka ny mpiara-miombon’antoka rehetra ao amin’ny Fandaharanasa Loharano II amin’ny fanohanana ho fampizakan-tena sy ho famirapiratan’ny zatovo sy ny tanora Malagasy

Hisy ny hetsika maimaimpoana iarahana amin’ny Fandaharan’asa Loharano II ny sabotsy 13 septambra 2025 ho avy izao ao amin’ny QG Tanora Ankorondrano.