Trail urbain, zumba: andro feno hetsika ara-panatanjahantena teto Antananarivo

Alahady 29 jona 2025, nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika ny andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fanatanjahantena teto Antananarivo. Nisy ny Trail Urbain izay nampivondrona ireo mpankafy hazakazaka amin’ny sokajin-taona rehetra. Nirefy 6 kilometatra ny halaviran’ny lalana izay nanomboka tao Ankorondrano ka nifarana tao amin’ny Kianjan’ny Barea.

Ankoatra ny hazakazaka, nisy ihany koa ny fanentanana dihy Zumba natao ho an’ny rehetra.

Nisy ny fanolorana medaly ireo mpandray anjara tamin’ny hazakazaka, notsaroana manokana ihany koa ireo kintan’ny fanatanjahantena teo aloha sy ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena, taloha sy ankehitriny ka notolorana marim-pankasitrahana.

Taorian’izany dia nisy ny fitsidihana ireo fampirantiana tao amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina.

Ity hetsika ity no tanteraka dia nohon’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Rotary Club Antananarivo.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika rehetra ny Minisitra, Moustapha Marson, niaraka tamin’ireo tale jeneraly sy ny mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera