Tetikasa Women & Youth: Tanteraka ny atrikasa natao hanamafisana ny fahaizamanaon’ireo tomponandraikitry ny Minisitera

Tontosa ny 10 sy 11 aprily lasa teo tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina Antananarivo ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ireo tomponandraikitry ny Minisitera eo amin’ny Foibe sy eny anivon’ny Faritra. Amin’ny maha-isany mpitarika ny Komity Mpitantana ny Tetikasa Mahasaky Women & Youth dia nisitraka izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nahitana ireo Fitaleavana teto amin’ny Foibe (SP CIMJ, DJRI, CCMAJ ary DCPDD). Teo ihany koa ireo Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena avy amin’ny Faritra 6 dia Analamanga, DIANA, Atsinanana,  Matsiatra Ambony, Boeny ary Atsimo Andrefana.

Ny tanjon’ity atrikasa ity dia ny hanamafy ny andraikitr’ireo Minisitera amin’ny fampiatiana ny tanora sy ny vehivavy eo amin’ny sehatry politika isan’izany ny Rafitra Ifotony Ikaonandoha. Manan-danja ny fandrindran’asa eo amin’ny Minisitera isan-tsokajiny hampahomby sy hampaharitra ny Tetikasa Mahasaky Women & Youth.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Abdulah MARSON MOUSTAPHA dia mankasitraka feno ireo mpiaramiombonantoka anatin’ny Tetikasa Mahasaky Women & Youth dia ny  EISA, UNFPA ary PNUD. Ankasitrahana ihany koa ny UNPBF izay mamatsy izany tetikasa izany ara-bola ho fampandraisana anjara ny tanora sy ny vehivavy amin’ny mahaolompirenena vanona azy ireo eo amin’ny sehatry ny politika.