Misongadina ny asa ho an’ny tanora , faly ny vahoaka tao Toliara raha nandray ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika sy ny mpanolontsaina avo ary mpikambana vitsivitsy teo anivon’ny governemanta. Isan’izany ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena RASAMBANY Alain Désiré.
Vonona hanandratra ny firenena sy hitondra fanovana ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena eo ambany fitarihan’ny Fiadidina ny Fanavaozana. Raha nandray fitenena nandritry ny lanonam-panokafana ny VEZ’TIVAL tao Toliara. Goavana ny fanovana kasaina ho entin’ny tanora.
Nambarany fa hanao ny ezaka rehetra hampivoatra ny tanora, hanome sehatra malalaka azy ireo, ary hanampy amin’ny fanorenana ny maha izy azy sy ny hoavin’ny tanora ny Minisitry ny tanora sy Fanatanjahantena.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 novambra 2025 ny Vez’tival, sehatra lehibe iray natao hanomezana lanja ny tanora sy hampirantiana ny talentany, ny fahaizany ary ny fandraisany anjara amin’ny fananganana firenena vaovao.
Sehatra iarahana miaina sy ihaonana, sehatra mampiray, ary sehatra mampiseho fa ny tanora no fototry ny fanavaozana.












