TAFA : Fanovana fijery, fanehoana talenta

Tontosa ny alakamisy 19 jona tao amin’ny Radisson Hotel Ambodivona ny fanokafana ny tetikasa TAFA, izay hetsika entin’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara.

Nanatrika izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MARSON Moustapha. Nandritra ny lahateniny dia namporisika ny tanora izy mba hiroso amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny sehatra isan-karazany, eny anivon’ny fiaraha-monina, eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena. Nambarany ihany koa fa vonona hatrany ny fanjakana malagasy hanohana ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fivelomana.

Raha 70 %-n’ny mponina eto Madagasikara no tanora, dia maneho hery sy harena lehibe ho an’ny firenena izany. Noho izany, ny fanatsarana ny fahaiza-miasa sy ny fahafahan’ireo tanora miditra amin’ny asa dia laharam-pahamehana amin’ireo politika sy tetikasa tanterahina.

Ny tetikasa TAFA dia tsy mijanona ho hetsika tsotra fotsiny, fa natao ho hery iombonana sy vina iaraha-manatanteraka izay mikendry fananganana hoavy mirindra kokoa ho an’ny rehetra.

 

Autre Articles