Notanterahina tetsy amin’ny QG Tanora, Ankorondrano, ny 15 sy 16 aogositra 2025 ny Southern Africa Youth Forum (SAYoF) andiany faha-7. Hetsika izay eo ambany fiahian’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MARSON MOUSTAPHA Abdulah, ary tohanan’ny Union Africaine. Nampivondrona tanora avy amin’ny firenena 16 mpikambana ao amin’ny SADC ary fotoana nanaovana fifanankalozan-kevitra sy fizarana hetaheta ny fihaonana.
Ny lohahevitra novoizina dia : « Ny panafrikanisma an-kiasa : fampandraisana anjara ny tanora ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny fandraisana andraikitra ara-piarahamonina ». Tanjona ny fanasongadinana ny andraikitra lehibe ananan’ny tanoran’ny SADC amin’ny fanovana ny fiaraha-monina sy ny kaontinanta. Hatolotra amin’ny Filohan’ny SADC vaovao, Andriamatoa Andry Rajoelina ny feon’ny tanora, alohan’ny hanehoana izany eo anivon’ny Firenena Mikambana.
Mazava ny tanjona iraisana tamin’ity hetsika ity dia ny hanome sehatra sy lanja ny feon’ny tanora eo anivon’ny SADC.