
Notanterahana ny 30 aprily 2025 tao amin’ny ny teatra monisipaly Isotry ny hetsika « Seho Sehatra », hetsika ara-kolontsaina sy fanabeazana izay nametraka ny sehatry ny teatra ho vavahadin’ny fandraisana andraikitra ara-piarahamonina. Mpianatra miisa 150 amin’ny kolejy sy lisea avy amin’ny sekoly valo eto Antananarivo no nandray anjara.
Ny Kaominina Antananarivo renivohitra niaraka tamin’ny Fitaleavana Misahana ny Fampiroboroboana ny Fialamboly eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny alalan’ny CISCO Antananarivo renivohitra no niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana ny hetsika.
Nampiasaina ny teatra amin’ny endriny fohy sy amin’ny teny malagasy mba hanehoana ireo olana tena mitranga eny ifotony : fanariana fako an-dalambe, fandotoana lakandrano sy ny fahalotoana mitarika aretina. Nandray anjara tanteraka tamin’ny fanoratana, ny fampiakanjoana ary ny famolavolana ny seho sehatra ireo mpianatra.
Notsaraina araka ny kalitaon’ny hafatra, ny fanajana ny fe-potoana ary ny famoronana ny seho tsirairay. Nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ny mpitsara, izay nahitana matihanina amin’ny tontolon’ny teatra, ireo seho nisongadina.
Nisy ireo loka ho an’ireo mpandray anjara mendrika indrindra toy ny fanaovana dia fibeazana sy ny fampiofanana maro isan-karazany. Nahazo taratasy fanamarinam-pandraisana anjara sy fitaovam-pianarana avokoa ireo mpandray anjara rehetra.