Rasoanaivo Laura, hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny tompondaka eran-tany amin’ny Judo.

Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny taranja Judo, izay hotanterahina any Budapest ny 13 ka hatramin’ny 20 Jona 2025, Ramatoakely Rasoanaivo Laura. Izy dia atleta manandratra avo hatrany ny voninahitr’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Rasoanaivo Laura dia efa nibata ny anaram-boninahitra ho tompondaka aty Afrika in-dimy (5) ary tafiditra amin’ireo judoka 25 tsara indrindra maneran-tany ao amin’ny sokajy misy azy.

Ho fanohanana amin’ny fanomanana sy fandraisana anjara amin’ity fifaninanana maneran-tany ity, dia nanome fanampiana ara-bola manokana ny Fanjakana Malagasy, tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA. Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, MARSON MOUSTAPHA Abdulah, no nanolotra izany fanampiana izany nandritra ny fandraisana sy ny fitsofan-drano azy.

Io fanohanana io dia maneho mazava ny fahavononan’ny Fanjakana Malagasy hanohana sy hanampy ireo atleta mampiakatra avo ny hasin’ny firenena amin’ny sehatra iraisam-pirenena.