
Faly sy ravo ireo tanora nandrombaka ny loka tamin’ny fifaninana famoronana horonan-tsary fohy entina manentana ireo tanora namany mahakasika ny fandrindram-piterahana.
Tovovavy telo avy amin’ny faritra Boeny, ary tovolahy avy aminny faritra Vatovavy Fitovinany sy Androy no nibata ireo loka « Tablette » sy « Téléphone android ».
Izao hetsika izao dia mifandraika amin’ny « Campagne de promotion de la Planification familiale » ho an’ny taona 2020, izay niarahana tamin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Ministeran’ny Fahasalamana, ny ny Marie Stopes Madagascar ary ny Fitantanan-draharaha misahana ny fahasalamana sy fiarovana ny tanora (DSRPJ) nanomana ny lafiny teknika.
Marihina fa efa nivoaka ny didim-panjakana 2019 – izay mamaritra ny hahazoan’ny tanora misitraka ireo tolotra entina manatsara sy mandrindra ny fahasalamany ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana, miaro ireo vehivavy marefo sy ireo izay rehetra tokony hampiasa ny fandrindram-piterahana.
Isany nanamarika ity fifaninana andiany voalohany ity ny fahitan’ireo mpitsara horonan-tsary fa efa manana fahasahiana miteny sy vonona ny hanentana ireo tanora namany ireo mpifaninana.
Ankoatrany fifaninana « mini-video » dia nisy ihany koa ny famokarana « supports de sensibilisation » toy ny « flyers », kitapo mitondra sary sy hafatra, ny « roll up » ary « banderole » samy misy hafatra fanentanana ny fandrindram-piterahana ».
MJS / MARIE STOPES MADAGASCAR
REMISE DE PRIX AUX JEUNES COMPÉTITEURS DE MINI-VIDÉO SR / PF.
Les jeunes qui ont remporté le prix du concours de courts métrages sont fièrs d’avoir inspirer et sensibiliser leurs pairs par rapport aux méthodes contraceptives.
Trois jeunes filles de la Région Boeny et deux jeunes hommes des Régions Vatovavy Fitovinany et Androy ont remporté les lots «Tablette» et «Téléphones Android».
Cet événement est en rapport avec la « Campagne de Promotion de la Planification Familiale » pour l’année 2020, et est le fruit du partenariat entre le Ministère de la Jeunesse et des Sports, le Ministère de la Santé, Marie Stopes Madagascar et la Direction de la Santé de la Reproduction et de la Protection des Jeunes (DSRPJ) pour les aspects techniques.
Il convient de noter que le décret de 2019 définissant l’accès des jeunes aux services relatifs à la Santé Sexuelle et de la Reproduction, et protégeant les femmes vulnérables et tous ceux qui devraient pratiquer la contraception, a été publié.
Les juges de ce premier concours de vidéo ont été marquées du par le fait que ces jeunes ont osé s’exprimer et étaient prêts à inspirer leurs pairs.
A part le concours de « mini-vidéo », il y a également la production des «supports de sensibilisation» tels que les « flyers », les sacs imprimés de photos et de messages, les « roll-ups » et les banderoles » avec des messages sur les méthodes contraceptives.