
Notanterahina androany 23 desambra 2020 tao amin’ny Akany Soafonenako Mandrosoa Ivato ny famoahana sy fanolorana mari-pahaizan’ireo tanora izay nahazo fiofanana mahakasika ny fitantanana tetikasa. Miisa 100 ireo tanora nahavita ity fiofanana ity izay mitsinjara andiany dimy : andiany Soa Tafaray, andiany Vina Tafaray, andiany Miray, andiany Miary ary andiany mpampianatra avy ao amin’ny CNELA ka ny Quartier Général des Jeunes ao amin’ny Fitaleavam-paritran’ny Tanora sy Fanatanjahantena Analamanga no nikarakara ny fiofanana izay nanomboka ny volana febroary 2020.
Marihina fa tanora mpianatra avy amin’ny seham-pianarana samihafa avokoa no mandrafitra ny andiany miisa efatra tamin’ny mpiofana ary mpampianatra avy ao amin’ny sampam-pampianarana CNELA kosa ny andiany iray. Nisolo tena ny Minisitra Tinoka Roberto tamin’izany lanonana izany ny tale Jeneralin’ny Tanora eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Ratovoson Juliana.
Sortie de promotion des jeunes formés en Gestion de projet
La cérémonie de sortie de promotion des jeunes formés en Gestion de projet s’est déroulée aujourd’hui 23 décembre 2020 à l’Akany Soafonenako Mandrosoa Ivato.
100 jeunes ont suivi jusqu’à terme cette formation, qui a été modulée en cinq (5) promtions : promotion Soa Tafaray, promotion Vina Tafaray, promotion Miray, promotion Miary, et une promotion composé par des enseignants du CNELA. Le Quartier Général des Jeunes au sein de la Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Analamanga est l’organisateur principal de ladite formation, qui a débuté en Février 2020.
Notons que les jeunes participants sont des étudiants issus de différentes filières outre les enseignants du CNELA.
Madame Juliana Ratovoson, Directrice Générale de la Jeunesse a représenté le Ministre de la Jeunesse et des Sports, Tinoka Roberto, à cette cérémonie.