Misaona ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy

Nodimandry ny alakamisy 26 jona 2025, teo amin’ny faha-73 taonany Andriamatoa Alexandre Edmond Beranto, olo-manga sady olo-panjakana niavaka teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena malagasy.

Atleta tanteraka izy, satria nandray anjara tamin’ny taranja fanatanjahantena maro samihafa. Naneho fahaiza-manao sy fitiavana ny fanatanjahantena i Andriamatoa Beranto nandritra ny androm-piainany, ary anisan’ny nandray anjara lehibe tamin’ny fampivoarana sy fanomezana lanja ity sehatra ity teto Madagasikara. Tsy ho levona an-tany ny zava-bitany sy ny lova navelany.

Manoloana izao fahalasana izao dia maneho fiaraha-miory sy fiononana feno ho an’ny fianakaviana, ny havana, ary ny mpisehatra amin’ny fanatanjahantena ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tarihin’Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah