MINISTRY NY JONO SY HARENA MANGA ARY NY MINISTRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA

MINISTRY NY JONO SY HARENA MANGA ARY NY MINISTRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA

MAMETRAKA PAIK’ADY IOMBONANA HANOMEZANA ASA NY TANORA

Manana harena miafina azo hanasoavana ny mponina ao aminy indrindra ny tanora isika malagasy indrindra ho an’ireo izay monina amin’ny fari-dranomasina sy manakaiky ireo farihy sy renirano. Samy resy lahatra ireo Ministra misahana ny Jono sy harena manga Andriamatoa MAHATANTE Paubert ary ny Ministra lefitra misahana ny tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON fa harena mankadiry ihany koa ho an’ny firenena ny fananana tanora izay mandrafitra ny 70% ny mponina eto Madagasikara.

Ireo no hery afaka mampiodina ny toekarena amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny seham-pihariana sy fandraharana izay ataony toy ny jono, fambolena, fiompiana sy ny maro hafa.

Mifanjohy araka izany ny paik’ady eo amin’ny Ministera roa tonta dia ny hampisitraka ny tanora ny sahan’asa sy fandaharan’asa ho fampandrosoana azy ireo toy ny fahaizana manodina ny vokatra andranomasina na andranomamy.

Ao ihany koa ny fanamorana hahazoan’ny tanora ny karatra maha-mpanjono azy na ny famporisihana azy ireo hisehatra bebe kokoa amin’ny mahamatihanina sy ny maro hafa. Anisany ifotorana ihany koa ny fampisitrahana ireo tanora sy ny mponina hianoka ny vokatra ratoviny ankoatra ny fampidirana loharanom-bola.

Tsy adino ny famoronana asa sy fanentanana ny tanora ho saro-piaro amin’ny fiarovana ny tontolo iaianana manodidina sy anaty ranomasina izay iankinan’ny fiainan’izy ireo.

Antenaina fa ao anatin’izao fifanantonana akaiky izao izay harafitra anaty fifanaraham-piaraha-miasa dia hiteraka vokatsoa ho an’ny tanora malagasy. Ny fiaraha-misalahy no mampandeha lavitra sy hoentina manatratra ny tanjona satria ny tanora izay ambara hoe « transversal » tokoa dia voakasiky ny sehatra maro sahanin’ireo Ministera isan-tsokajiny.

Tanjonina araka izany ny hanatanteraka miaraka ny veliranon’ny « Plan Emergence Madagascar » mahakasika ny velirano faha-6 « Asa mendrika ho an’ny tanora », sy faha-8 « Fampizakan-tena ny tanora », ary faha-9 dia ny fampiroboroboana ny « Fizakan-tena ara-tsakafo ».

Alefa Tanora, Alefa Madagasikara

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...