MINISTRY NY JONO SY HARENA MANGA ARY NY MINISTRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA

MINISTRY NY JONO SY HARENA MANGA ARY NY MINISTRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA

MAMETRAKA PAIK’ADY IOMBONANA HANOMEZANA ASA NY TANORA

Manana harena miafina azo hanasoavana ny mponina ao aminy indrindra ny tanora isika malagasy indrindra ho an’ireo izay monina amin’ny fari-dranomasina sy manakaiky ireo farihy sy renirano. Samy resy lahatra ireo Ministra misahana ny Jono sy harena manga Andriamatoa MAHATANTE Paubert ary ny Ministra lefitra misahana ny tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON fa harena mankadiry ihany koa ho an’ny firenena ny fananana tanora izay mandrafitra ny 70% ny mponina eto Madagasikara.

Ireo no hery afaka mampiodina ny toekarena amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny seham-pihariana sy fandraharana izay ataony toy ny jono, fambolena, fiompiana sy ny maro hafa.

Mifanjohy araka izany ny paik’ady eo amin’ny Ministera roa tonta dia ny hampisitraka ny tanora ny sahan’asa sy fandaharan’asa ho fampandrosoana azy ireo toy ny fahaizana manodina ny vokatra andranomasina na andranomamy.

Ao ihany koa ny fanamorana hahazoan’ny tanora ny karatra maha-mpanjono azy na ny famporisihana azy ireo hisehatra bebe kokoa amin’ny mahamatihanina sy ny maro hafa. Anisany ifotorana ihany koa ny fampisitrahana ireo tanora sy ny mponina hianoka ny vokatra ratoviny ankoatra ny fampidirana loharanom-bola.

Tsy adino ny famoronana asa sy fanentanana ny tanora ho saro-piaro amin’ny fiarovana ny tontolo iaianana manodidina sy anaty ranomasina izay iankinan’ny fiainan’izy ireo.

Antenaina fa ao anatin’izao fifanantonana akaiky izao izay harafitra anaty fifanaraham-piaraha-miasa dia hiteraka vokatsoa ho an’ny tanora malagasy. Ny fiaraha-misalahy no mampandeha lavitra sy hoentina manatratra ny tanjona satria ny tanora izay ambara hoe « transversal » tokoa dia voakasiky ny sehatra maro sahanin’ireo Ministera isan-tsokajiny.

Tanjonina araka izany ny hanatanteraka miaraka ny veliranon’ny « Plan Emergence Madagascar » mahakasika ny velirano faha-6 « Asa mendrika ho an’ny tanora », sy faha-8 « Fampizakan-tena ny tanora », ary faha-9 dia ny fampiroboroboana ny « Fizakan-tena ara-tsakafo ».

Alefa Tanora, Alefa Madagasikara

Autre Articles

Volley-ball – CCC Zone 7 : La GNVB garde son titre

Les gendarmes de la GNVB ont remporté leur deuxième titre à la Coupe des Clubs Champions de la Zone 7. Ils se sont imposés par 3 sets à 0 devant Quatre Bornes Volley-ball de Maurice au Gymnase de Vacoas, samedi après-midi. Les titres ne changent pas de main à la CCC...

ASOIMI 2015 à Manakara

 La 15ème Edition de l’ASOIMI s’est déroulée cette année à Manakara dans la Région du Vatovavy Fitovinany du 24 septembre au 04 octobre. L’Association Omnisport Inter Ministériel et Institutions(ASOIMI) et le MJS organisent chaque année des rencontres sportives afin...

Beach soccer – Boeny brille à domicile

La sélection de Boeny remporte à domicile son deuxième titre de champion de Madagascar de beach soccer. La finale de la 5eme édition s’est déroulée sur la plage du village touristique le 12 décembre dernier. L’équipe majungaise a défait en finale celle d’Atsinanana...

Billard – I’In Square Ambatobe

Dany, David, Fenosoa et Tox au tournoi de l’océan indien De très chaude ambiance à l’I’In Square à Ambatobe lors de la deuxième édition du Grand Tournoi Old School vs New School pendant une semaine, du 3 au 9 novembre. C’est une compétition de défi de billard entre...