Minisitra TINOKA Roberto;nitondra fanampiana hoan’ireo mpianatra niharam-boina tety Maninday.

Tonga nijery ireo takaitra taorinan’ny fahamaizana ny trano fonenan’ny mpianatra tety Maninday ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara,Atoa TINOKA Roberto,izay nisolotena ihany koa ny Minisitry ny fampiarana ambaratonga ambony.Tsy nandeha nanao taza-maso fotsiny Atoa Minisitra TINOKA Roberto,fa nitondra fanomezana hoan’ireo mpianatra,avy tamin’ny Filoham-pirenena izay naniraka azy.Nankahery ireto niharam-boina andriamatoa minisitra,ary namome baiko ny hanohizana ny asa fanamboarana ny trano fonenan’ny mpianatra (R+3) amin’ny faran’ity volana ity mba tsy hisian’ny toe-javatra toy izao intsony.Tsara ho fantatra fa foto-drafitra efa natomboky ny Filoha Repoblika fony izy nitantana ny tetezamita ity trano fonenan’ny mpianatra hotohizana ity.