Tonga nijery ireo takaitra taorinan’ny fahamaizana ny trano fonenan’ny mpianatra tety Maninday ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara,Atoa TINOKA Roberto,izay nisolotena ihany koa ny Minisitry ny fampiarana ambaratonga ambony.Tsy nandeha nanao taza-maso fotsiny Atoa Minisitra TINOKA Roberto,fa nitondra fanomezana hoan’ireo mpianatra,avy tamin’ny Filoham-pirenena izay naniraka azy.Nankahery ireto niharam-boina andriamatoa minisitra,ary namome baiko ny hanohizana ny asa fanamboarana ny trano fonenan’ny mpianatra (R+3) amin’ny faran’ity volana ity mba tsy hisian’ny toe-javatra toy izao intsony.Tsara ho fantatra fa foto-drafitra efa natomboky ny Filoha Repoblika fony izy nitantana ny tetezamita ity trano fonenan’ny mpianatra hotohizana ity.
MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA
Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...








