Journée Internationale des Jeunes Filles

« Autonomisation des jeunes filles : avant, pendant et après une situation de crise »

« Fanamafisana ny traik’efan’ny zatovovavy : mialoha, mandritra ary aorian’ny fotoan-tsarotra »

Antananarivo, 11 oktobra 2017. Anisan’ny firenena manamarika tsy tapaka ny Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny zatovovavy isika eto Madagasikara izay ankalazaina isaky ny 11 oktobra. Tao anatin’ny fito taona izay nanamarihana izany dia samy mahatsapa ny hery sy lanjan’ny zatovovavy eo anivon’ny fiaraha-monina isika. Izy ireo dia anisan’ny fototra ijoroan’ny firenena ka raha tsy tsinjovina amin’ny alalan’ny fikojana ny lafim-pivoarana dia indrisy fa ho tonga vesatra ho an’ny firenena.

Ny taona 2011 tokoa mantsy no namoahan’ny Firenena mikambana araka ny Fanapahan-kevitra mitondra ny laharana 66/170 fa andro natokana ho an’ny zatovovavy ny 11 oktobra. Io fanamarihana manokana io dia mampisongadina ny Zo fototra tokony isitrahan’ny zatovovavy ahafahany mivelatra, mivoatra sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tenany sy ny fiarahamonina misy azy ary ny firenena iray manontolo. Mitodika amintsika koa izao tontolo izao ny amin’izay fampandrosoana ny zatovovavy ary mitaky vokatra mivaingana izany raha vao mipaika ny taona 2030. Noho izany, manana adidy ny tsirairay, ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany amin’ny fiarovana sy fampiharana ny zon’ny zatovovavy.

Eto Madagasikara dia mbola betsaka ny zatovovavy iharan’ny fanambadiana sy ny vohoka aloha loatra. Miteraka olana maro izany eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana: maty eo am-piterahana, na iharan’ny aretina mamany lava ; eo amin’ny lafiny ara-tsosialy: tapaka ny fianarana, mamelona zaza tsy fidiny ary  lasa vesatra ho an’ny fianakaviana sy ny fiaraha monina ;eo amin’ny lafiny ara ekonomika. Endrika mampalahelo isehoan’ny tsy fahatanterahan’ny zon’izy ireo izany ka mitaky fanentanana maro na ho azy ireo manokana, na ho an’ireo ray aman-dreniny na ho an’ny tompon’andraikitra rehetra.

Efa maro ireo ezaka izay efain’ny Ministera iarahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy alalan’ny fiarahamiasa telo lafy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ary ny vondrona iraisam-pirenena izay misehatra ho an’ny zatovovavy.

Raha voaaro ny zon’ny zatovovavy dia lasa fanoitra lehibe ho an’ny firenena izy ireo  ahafahany mitondra ny anjara biriky  ho  fampivoarana ny fiaraha-monina, miainga eo amin’ny ankohonany, sy ny  manodidina azy.

Ireo zatovovavy ireo no voakolokolo dia ho lasa renim-pianakaviana mahomby sy olom-banona afaka folo, roapolo taona.

Ekena fa marefo ny zatovovavy saingy afaka mijoro izy ireo ho fanoitra lehibe ho an’ny firenena.  Ho fampandraisana andraikitra azy ireo dieny izao dia entanina mba ho zatovovavy mitondra fanovana, hanentana ireo namany ho tonga tovovavy modely. Izany no anisan’ny imatimatesan’ny Ministeran’ ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena miaraka amin’ireo mpisehatra rehetra dia ny fanamafisana ny fahaiza-miaina entina miatrika ny fiainana.

Mandalo vanim-potoana sarotra ny firenena amin’izao fotoana izao amin’ny fisian’ny valan’aretina Pesta. Mila ampisehoana fa tovovavy mandray andraikitra eny anivon’ ny  fiaraha-monina. «  Mandraisa andraikitra ao an-tokantrano ho tonga fianarana ho  an’ny zoky sy zandry mba hampanjaka ny fahadiovana. Mila atomboka amin’ny endrika ivelany ny fiovam-pitondran-tena dia ho hitanareo fa hisokatra aminareo ny varavaran’ny fampivoarana fiaraha-monina »

Amin’izao andro fankalazana ny andron’ny zatovovavy izao dia manamafy etoana koa ny Ministera amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany miahy ny zatovovavy azy fa miezaka miaraka amin’ireo departemanta rehetra misy sy ireo mpiara-miasa ,indrindra ny any amin’ny faritra 22 ary ireo mpisehatra rehetra ho an’ny zatovovavy sy ny tanora hanao izay tratry ny heriny hampivoatra anareo na amin’ny lafiny ara-tsosialy, toe-karena ary ny fampivoarana ny maha olona.

Fanentanana izay mifanindran-dalana amin’ny vina sy ny lohahevitry ny fankalazana navoakan’ny firenana mikambana manao hoe « manamafy ny fahaiza-manaon’ny zatovovavy, mialoha, mandritra ary aorian’ny fotoan-tsarotra ».  

Sehatra maro no voakasik’izany lohahevitra izany ary tsy efan’ny irery fa anentanana ny rehetra. Ary manainga ihany koa ireo fikambanana tanora hanao hetsika faobe, hanentana ireo tanora namany, hanamafy ny fanadiovana isaky ny fokontany sy ny faritra misy azy

Ankehitriny, ny Ministera dia efa namoaka ny Politikam-panjakana entina miahy ny tanora izay arahana programan’asa ka ifandrimbonan’ny rehetra amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Koa manentana ny rehetra, manomboka amin’ny Ray aman-dreny, ny tompon’andraikitra  mba  hitondra ny anjara biriky ho fampivoarana ny zatovovavy.

Na dia tsy nisy aza ny fanamarihana amin’ny fomba ofisialy toy ny fanao isan-taona noho ny fisian’ny pesta, dia ny asa rehetra mahasika ny fiarovana sy ny lafim-papivoaranan’ny zatovovavy kosa dia tsy ikelazan’ny Ministera aina mihitsy fa tohizana mandavan-taona.

                                                                                                                             Source DSI/MJS