IVATO: FITSENANA IREO MAKIS AN’I MADAGASIKARA

Nifarana ny 11 Jolay lasa teo ireo fifaninanana rehetra nandraisan’ireo ekipam-pirenena Malagasy miisa 3 anjara eo amin’ny taranja rugby.

Tsara ny vokatra amin’ny ankapobeny ary tsy nitsanga-menatra isika Malagasy satria fandresena 4 no azon’ireo Makis an’i Madagasikara tamin’ireo lalao 6 natao ary voasokajy tahak’izao manaraka izao izany vokatra izany:

-U20 lehilahy: Tompondaka lefitra nandritra ny « Afrika Trophée Barthez »

-Senior lehilahy: Laharana faha 3 tao amin’ny Vondrona A nandritra ny fiadina ny ho tompondaka an’i Afrika( RAC 2021)

-Senior vehivavy: Nibata ny amboara nandritra ny « Rugby Africa Women’s Cup » izay nametraka azy ireo eo amin’ny laharana faha 27 manerantany.

Nigadona androany 13 Jolay 2021 eto an-tanindrazana izy ireo ary tonga nitsena azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, solotenan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, sady nametraka ny mba hanajana ny lamina rehetra noho hamehana ara-pahasalamana. Noho izany indrindra dia tsy nahazo nifanerasera tamin’ireo mpankafy tonga nitsena azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny delegasiona fa avy hatrany dia namonjy ny fiara nitondra azy ireo nihazo ny Kianja Makis Andohatapenaka izay toerana hanaovana ny fihibohana.

IVATO: ACCUEIL DE L’ÉQUIPE MAKIS DE MADAGASCAR.

Toutes les compétitions auxquelles ont participé les 3 équipes nationales Malagasy de rugby ont pris fin le 11 juillet 2021. Dans l’ensemble, les résultats ont été satisfaisants car les Makis de Madagascar ont remporté 4 victoires sur les 6 matchs joués. Les résultats sont classés comme suit :

-Homme U20 : vice champion du « Trophée Afrique Barthez »

-Senior Homme : classé 3ème du Groupe A lors de la Coupe d’Afrique de Rugby (RAC 2021)

-Senior Féminine: a remporté le trophée lors de la « Rugby Africa Women’s Cup » qui les place à la 27ème sur le rang mondiale.

Ils sont de retour au pays aujourd’hui 13 juillet 2021 et ont été accueillis à l’aéroport d’Ivato par la Directeur Général des Sports, Mme Rosa RAKOTOZAFY, représentante du Ministre de la Jeunesse et des Sports, M. TINOKA Roberto, et ont entrepris de se conformer aux restrictions sanitaire. C’est pour cette raison que la délégation n’a pas été autorisée à interagir avec les supporters venus les rencontrer à l’aéroport d’Ivato mais a été conduite immédiatement en voiture jusqu’au stade Makis Andohatapenaka là où se déroulera la procédure de quarantaine.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...