FOOTBALL : QUALIFICATION CHAN 2023

Miarahaba ny ekipam-pirenena Barea CHAN tafiakatra amin’ny dingana farany amin’ny lalao fifanitsanana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika CHAN 2023.

Madagascar 🇲🇬 3-0 🇸🇨 Seychelles

90′ Tsilavina Drogba

66′ Rinjala

5′ Tsilavina Drogba

Tonga nanotrona ny ekipam-pirenena Malagasy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, ny Filohan’ny Antenimeran-doholona ary ireo olo-manankaja maro isankarazany.

Fantatra ihany koa fa i Botswana 🇧🇼 no hifanandrina amin’i Madagasikara 🇲🇬 amin’ny fihodinana faran’ny fifanintsanana CHAN 2023.

26 au 28 août :

Lalao mandroso any Botswana

2 au 4 sept :

Lalao miverina eto Madagasikara