Fojaeb 2025 Toliara: tratra ny fanamby

Tontosa ny 19 aprily 2025 ny lanonam-pamaranana ny fihaonamben’ny tanora Afrikanina, momba ny toekarena manga, andiany faharoa na ny FOJAEB. Hetsika iraisam-pirenena nokarakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena andaniny, ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga ankilany.
Tratra ny fanamby, tsy nitsanga-menatra i Madagasikara. Ny Minisitera tarihin’Andriamatoa Minisitra Moustapha Marson rahateo dia manome lanja ny fihariana sy fampivelarana ny tanora amin’ny sehatry ny toekarena manga sy maintso. Nohamafisiny tamin’ny lahateny izay natao fa anisan’ny loha-lisitra amin’ny fandaharanasany rahateo ny fandraharahana ho an’ny Tanora.
Ankoatra ity hetsika natao tany Toliara ity dia efa andalam-panomanana rahateo ny YouthConnekt Africa Summit 2025. Fihaonamben’ny Tanora Afrikanina ho tanterahina eto Madagasikara ny 26 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao. Ny lohahevitra iompanan’izany dia ny hoe  » Ilay Afrika mendrika antsika ».
Marihina fa vao tafaverina an-tanindrazana avy any New York, namonjy ny fikaonandohan’ny tanora mahakasika ny fanabeazana sy ny toekarena na ny ECOSOC ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena dia namonjy an’i Toliara avy hatrany.