Ny 13 May 2025, dia nitsidika ny “Espace des Jeunes” eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Boeny, ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Arnaud Guillois, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.
Nandritra izany dia nisy fihaonana sy fifanankalozan-kevitra mivantana niarahana tamin’ireo tanora ao anatin’ny Plateforme TAFAVORI.
Tsiahivina fa ity “Espace des Jeunes” ity dia nijoro nohon’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Plateforme TAFAVORI, ary ny Alliance Française eto Mahajanga. Tanjon’ity sehatra ity ny hanomezana toerana ho an’ny tanora amin’ny fanehoana hevitra, fianarana ary fandraisana anjara mavitrika eo anivon’ny fiaraha-monina.








