
Tonga nitsidika ilay toerana hanorenana ilay Gymnase mahazaka olona miisa 4000, ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena,Atoa TINOKA Roberto, anio 18/11/20,niaraka tamin’ny fiadidian’ny tanànan’i Toamasina I,izay nahitana an’andriamatoa Ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina.Efa notapahana tamin’ny filan-kevitrin’ny tanàna ity toerana ity.Hanomboka afaka andro vitsivitsy ny asa fanorenana, efa vita ny fifanarahana tamin’ny orinasa nahazo ny tolo-bidy ary teti-bolan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no misahana ny fandaniana rehetra.
Tsara marihana fa hasiana toerana fikotranana ihany koa ny eo ivelan’ity gymnase ity. Nanamafy koa andrimatoa Minisitra fa hisy kianja hafa haorina hatao solon’ity kianja ity.