Fitsidihana ny toerana hanorenana gymnase vaovao ao Toamasina

Tonga nitsidika ilay toerana hanorenana ilay Gymnase mahazaka olona miisa 4000, ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena,Atoa TINOKA Roberto, anio 18/11/20,niaraka tamin’ny fiadidian’ny tanànan’i Toamasina I,izay nahitana an’andriamatoa Ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina.Efa notapahana tamin’ny filan-kevitrin’ny tanàna ity toerana ity.Hanomboka afaka andro vitsivitsy ny asa fanorenana, efa vita ny fifanarahana tamin’ny orinasa nahazo ny tolo-bidy ary teti-bolan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no misahana ny fandaniana rehetra.

Tsara marihana fa hasiana toerana fikotranana ihany koa ny eo ivelan’ity gymnase ity. Nanamafy koa andrimatoa Minisitra fa hisy kianja hafa haorina hatao solon’ity kianja ity.

Autre Articles

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...