Fitsidihana nataon’ireo delegasiona avy ao ministera tao amin’ny Espace Jeunes Ifanadiana

Tonga nitsidika ny Espace Jeunes tao Ifanadiana ny delegasiona notarihin’i Ramatoa Tale Jeneraly misahana ny Tanora. Fotoana nahafahana nifampidinika tamin’ny mpiara-miasa ny amin’ny hanatsarana sy hampivelarana ny tolotra omena ho an’ny tanora ao amin’izany ivon-toerana izany. Teo ihany koa ny fitsidihana ny « Centre des jeunes privé » izay eo ambany fitantanan »ny Diosezy Katolika.