
Tanteraka tao Toliara, Renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana ny iraka fizohiana ireo Tetikasa ho an’ny Tanora izay tohanan’ny UNPBF. Nisy ny fitsidihana ara-pomba fanajana ireo manampahefana tany an-toerana mialoha izany tahaka ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ny teo anivon’ny ny Kaominina Renivohitr’i Toliara voalohany. Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa ireo manampahefana isa-tsokajiny amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo.
Nisy ihany koa ny fidinana ifotony izay nanatanterahana fizohiana ireo Tetikasa izay tohanan’ny UNPBF. Anisan’izany tetikasa izany ny Mahasaky Women & Youth, IRF Tanora ary Rary Aro Mada 2. Nisongadina tamin’izany iraka fizohiana izany ny maha zava-dehibe ireo tetikasa izay miompana amin’ny fandriampahalemana sy ny firotsahan’ny tanora lahy sy vavy an-tsehatra amin’ny ankapobeny.
Namaranana ny iraka natao tao Toliara ny fivorian’ny komitin’ny Tetikasa Mahasaky Women &Youth. Marihana fa ity no fivoriana voalohany natao teny ifotony ary fahatelo ho an’ny Komitin’ny Tetikasa. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny UNFPA no mitarika izany komity izany. Nandritra ny lahateniny no nanambaran-dRamatoa ANDRIAMPARANY Mioty, Sekretera Jeneralin’ny minisitera : « Maro an’isa ny tanora eto Madagasikara. Ny fampandraisana anjara ny tanora eo amin’ny sehatra politika sy amin’ny maha olom-pirenena vanona azy ireo dia isany fampanjakana ny demokrasia sy ny fandriampahalemana. Mifanojo amin’ny laharampahamehana eto amin’ny sehatra nasionaly izany. » Ankasitrahana ny UN Peacebuilding Fund Madagascar, UNFPA Madagascar, PNUD Madagascar ary EISA Madagascar amin’ny Tetikasa Mahasaky Women & Youth izay mampiroborobo ny fandraisana anjaran’ny tanora Malagasy amin’ny maha olom-pirenena vanona azy ireo. Telo taona no faharetan’ity Tetikasa ity ary ho tanterahana eny anivon’ny Renivohim-paritany enina manerana ny Nosy.