Nanantanteraka fitsidihana ara-teknika ny Kianja Barea Mahamasina, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré, ny 26 Novambra 2025, taorian’ny namerenana ny fitantanana ity fotodrafitrasa ity ho eo ambany fiahian’ny minisitera.
Tanjon’ity fitsidihana ity ny hijerena akaiky ny fandehan’ny asa, ny fizotry ny fanamboarana ary ny fanarahan-dalàna mifanaraka amin’ireo fepetra takian’ny Kaofederasiona Afrikanina miandraikitra ny baolina kitra (CAF) ho an’ny fankatoavana na “homologation” ny kianja.
Nandritra ny fanaraha-maso, dia hita fa 90% ny asa no vita, saingy mbola misy ireo asa sasantsasany andalam-pamaranana ary mila dinihina manokana mba hifanaraka tanteraka amin’ireo teboka valo napetraky ny CAF. Nambaran’ny Minisitra fa tsy maintsy hangatahana ny « rapport d’expertise » hijerena amin’ny antsipiriany ireo asa mbola miandry sy ny fanatanterahana ireo fepetra ilaina. Tsy maintsy ho vitana ara-potoana ny asa rehetra araka ny toromarika nomeny.
Notsindrian’ny Minisitra ihany koa fa anisan’ny laharam-pahamehana ny hahafahan’ireo atleta malagasy misitraka mivantana ny kianja. Homena sehatra manokana ihany koa ireo federasiona mba ahafahan’izy ireo mampiasa ny fotodrafitrasa amin’ny fomba maharitra. “An’ny Malagasy rehetra ity kianja ity, ka ilaina ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny ho tombontsoa iombonana,” hoy ny Minisitra nanamafy.
Tonga nanotrona sy nanaraka ny fitsidihana teny an-toerana ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra, ny Tale Jeneraly misahana ny fitantanana ny kianja, ary ireo tompon’andraikitra eto amin’ny minisitera.