
Notokanana ny 25 sy 26 jolay 2025 lasa teo nandritra ny fitetezam-paritra nataon’ny filohan’ny repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, ny kianja manara-penitra vaovao miisa roa ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra, faritra Ambatosoa.
Zava-dehibe ary manan-danja ho an’ny tanora sy ny mpitia fanatanjahantena any an-toerana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa tahaka izao ka velom-pisaorana ny fitondram-panjakana ny vahoaka maro be nanatrika ny fotoam-pitokanana.
Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny filoham-pirenena sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa Ntsay Christian ary ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Moustapha Marson.
Nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny loholona sy ny solombavambahoaka ao anatin’ny Faritra Ambatosoa sy Analanjirofo.