
Nandritra ny fitsidiham-panjakana notanterahan’ny filoham-pirenena frantsay teto Madagasikara dia tsy diso anjara tamin’izany ny tanora malagasy satria dia nanokanana fotoana manokana izy ireo hihaonana amin’ireo filoha roa tonta dia ny filoha Andry Rajoelina sy ny Filoha Emmanuel Macron.
Natao tetsy amin’ny lapan’Andafiavaratra ny fihaonana ny alarobia 23 aprily 2025 ka tanora miisa 100 avy amin’ireo faritra manerana ny nosy no nandray anjara tamin’izany.
Teboka maromaro no novelabelarina ka anisan’izany ny famporisihana ireo tanora malagasy hirotsaka lalindalina kokoa eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ; eo ihany koa ny lafiny fampiofanana ny tanora izay nasian’ny filoha Emmanuel Macron fanamarihana manokana ny fampiofanana eo amin’ny sehatry ny fambolena izay tena manan-danja tokoa mba hananan’ny firenena iray ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Nandritra ny famelabelaran’Andriamatoa filoha Andry Rajoelina no nanamafisany fa ny tanora no fototry ny fampandrosoana eo amin’ny firenena iray ary manana anjara andraikitra tanteraka amin’izany izy ireo. Nambarany ihany koa fa ny fitondram-panjakana izay tarihany dia mihaino ary miezaka hatrany hanakaiky ireo tanora.
Hery lehibe ho an’ny tanora malagasy ny fanohanana omen’ny fitondram-panjakana azy ireo ary ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra Moustapha Marson Abdulah dia manome hatrany ny tantsoroka sy ny tohana ho an’ny tanora malagasy mba ahafahan’izy ireo mandroso ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena.