Fihaonan’ny ministra tamin’ireo fikambanan’ny tanora.

Notanterahana ny 30 oktobra 2025 tao amin’ny Lapan’ ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, Mahamasina, ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré sy ireo solontenan’ny fikambanan’ny tanora maro toy ny GEN Z Madagasikara, ny ASSEDU MADA, ny federasiaon’ny mpianatra avy any amin’ny Faritra, ny Move on Madagasikara, ny Tolombahoaka, ny Tanora Sahy Mijoro, ny Collectif Taninjanaka Free Madagascar, ny ANTAFA, ary ireo fikambanana samihafa nitolona ho an’ny fanovana.

‎Tanjona ny fihainoana ny feon’ny tanora, fanangonana ny tolokevitra avy amin’izy ireo. Indrindra taorian’ny hetsika ho an’ny fanovana, mba hisian’ny fitoniana sy hirosoana amin’ny fanavaozana izay andrandrainy.

‎‎Nambaran’ny Minisitra fa ny tanora no hery manosika ny fanovana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ilaina araka izany ny fanomezana sehatra ahafahan’izy ireo maneho hevitra, mandray andraikitra ary mandray anjara mavitrika amin’ny fanorenana ny firenena.

Nazavain’ny tomponandraikitra teto anivon’ny Minisitera ny lalantsaina ahafahana miroso amin’ny fanavaozana tena izy.

‎‎Nampahafantarina koa fa hotohizana mankany amin’ny dinika nasionaly ny hetsika. Tanjona ny hanomezana lanja ny feon’ny tanora sy hampidirana azy bebe kokoa amin’ny famolavolana ny politika sy tetikasa ho an’ny fampandrosoana.