Ho fampiroboroboana ny fanatanjahantena eto Madagasikara, nihaona tamin’ireo solotenan’ny federasiaonina ara-panatanjahantena malagasy ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré, ny 30 oktobra 2025 tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, Mahamasina.
Nampatsiahivin’ny minisitra nandritra izany ny tsy fijabahan’ny Minisitera amin’ny andraikitry ny federasiaonina. Mipetraka ho aro fanina sy mpanelanelana, ary manampy araka izay tratra izy.
Nalalaka ny fifanankalozan-kevitra nandritra ny fihaonana izay ho ezahina ho fanao mahazatra. Tanjona ny mba hisian’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny roa tonta. Fotoana nahafahana nifampizarana ny hetahetan’ny federasiaonina ny toy izao.












