Nihaona tamin’ny Minisitra Moustapha Marson ny talata 8 jolay 2025 tao amin’ny biraony teto Ambohijatovo ny loholon’i Madagasikara sady sojaben’ny Antenimieram-doholona, Andriamatoa Ndremanjary Jean André.
Nifampizara ny fahaiza-manao sy nanome torohevitra ny amin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny tanora no anton’ny fihaonana.
Tsiahivina fa anisan’ireo efa nitondra ny Minisitera, ny Loholona Ndremanjary Jean André ary manampahaizana manokana momba ny Fanatanjahantena sy ny fitaizam-batana.
Nisaotra tamin’ny fifampizarana ny Minisitra Moustapha Marson. Nanamafy rahateo izy fa tsy handraka ilo mby an-doha ny anatranatra sy ny hafatra nampitaina taminy indrindra amin’ny fanatanterahana ireo vina sy toromariky ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina.