
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 2 jolay 2025 ny fihaonamben’ny tanora ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa, hetsika izay karakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, miaraka amin’ny Fihariana, tetikasa entin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Andriamatoa Andry Rajoelina.
Ity hetsika ity dia natao ho sehatra ifampizaràna sy ifanakalozan-kevitra amin’ireo tanora, izay mahatratra 400 mianadahy, avy amin’ireo faritra samihafa ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa.
Toy ny hetsika efa notontosaina tany Toamasina, Mahajanga ary Toliara, dia ho hita mandritra ny fandaharam-potoana amin’ity fihaonambe ny :
- « Tanora Mandrafitra ny Hoavy »,
- « Zatovovavy Miavotra sy Mivoatra »,
- « Hackathon »
Anisan’ny tanjona lehibe amin’ity fihaonana ity ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny YouthConnekt Africa Summit 2025, fihaonana iraisam-pirenena ho an’ny tanora afrikanina izay hotanterahina eto amintsika.