Tontosa teto Antananarivo ny andiany faha-10 ny « Forum Africain des Jeunes » sy ny andiany faha-19 ny « Conférence Africaine du Scoutisme » ny 14 ka hatramin’ny 21 septambra 2025, izay miompana amin’ny lohahevitra « Miara-miaina ho amin’ny Fandriampahalemana ».
Nandraisana solontena 500 mahery avy amin’ny firenena afrikanina 40 ity fihaonana ity, ka tafiditra tao anatin’izany ireo tanora, tompon’andraikitra ary mpitarika skoto. Mifantoka amin’ny anjara toerana lehibe ananan’ny tanora amin’ny fandriampahalemana, ny firaisankina ary ny fampandrosoana maharitra.
Nambaran’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Moustapha Marsonn, fa « sekolin’ny fandriampahalemana sy fahaiza-mitarika ny skotisma », sady voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ny nampiantranoana ny hetsika.