Fifaranan’ny fiofanana ho Maîtres Nageurs Sauveteurs sy fizarana mari-pankasitrahana

Ny Akademia Nasionalin’ny Fanatanjahantena (ANS) dia nanatanteraka fiofanana manokana ho an’ireo Maîtres Nageurs Sauveteurs, izay nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 14 may 2025. Naharitra telo herinandro ny fiofanan izay mitotaly 96 ora. Hita tamin’izany ny fampianarana anaty efitrano sy ny fanazaran-tena mivantana eny an-kianja, ka tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny famonjena anaty rano sy ny fampandraisana andraikitra amin’ny fitantanana sy fiarovana ny hetsika anaty rano.

Nandray anjara tamin’ity fiofanana ity ireo mpiofana 44 mianadahy, izay avy amin’ny faritra samihafa manerana ny nosy: Fort-Dauphin, Nosy Be, Mahajanga, Toamasina, Moramanga, Fénérive-Est ary Antananarivo. Izany dia maneho ny ezaka ataon’ny ANS amin’ny fampivelarana ny fiofanana eny ifotony, ho fanohanana ny politika fampandrosoana ara-panatanjahantena. Taorian’ny fahavitan’ny fiofanana dia nahazo mari-pankasitrahana ireo mpiofana tsirairay, manamarina ny fahaiza-manaony amin’ny maha Maître Nageur Sauveteur azy. Andrasana ankehitriny ny fandraisan’andraikitra lehibe avy amin’izy ireo amin’ny fampivoarana ny sehatry ny fanatanjahantena anaty rano, indrindra amin’ny fanamafisana ny fiarovana amin’ny toeram-pilalaovana sy dobo filomanosana ao amin’ny faritra niaviany avy.

Amin’ny alàlan’ny fanofanana sy fanomezan-danja ireo mpisehatra eny ifotony, dia manantena ny ANS fa hivelatra bebe kokoa ny sehatry ny fanatanjahantena anaty rano eto Madagasikara, amin’ny endrika maharitra sy mirindra.