Fifamindram-pahefana eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

????????????????????????????????????

Tontosa ny 29 oktobra 2025 tetsy amin’ny QG Tanora Ankorondrano ny fanaovan-tsonian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena vaovao, Andriamatoa Alain Desiré RASAMBANY sy ny minisitra teo aloha  MARSON Moustapha Abdulah.

Nandritra ny lahateniny, Andriamatoa MARSON Moustapha Abdulah dia niarahaba ny minisitra Alain Desiré RASAMBANY tamin’ny fanendrena azy ary nirary soa amin’ny asa sy andraikitra izay napetraka taminy, tsy adinony ihany koa ny nisaotra ireo tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratongany eto anivon’ny minisitera tamin’ny fiaraha-miasa.

Etsy andaniny, ny minisitra Alain Désiré RASAMBANY dia nankasitraka ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Michaël RANDRIANIRINA sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Andriamatoa Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny fahatokisana ka nanendrena azy amin’izao andraikitra izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny minisitera hoy ny tenany satria vina sy tanjona iray no ho tratrarina dia ny hanangana hoavy mamiratra ho an’ny tanora malagasy ary nangataka ny tenany ny amin’ny fifanomezan-tanana avy amin’ny lafin-kery rehetra amin’ny fanatrarana izany tanjona izany.