Nosokafana tao amin’ny QG Tanora ny fiofanana ho an’ny mpampiofana amin’ny Fampianarana Feno momba ny Fananahana (ECS), izay haharitra herinandro. Tanjona amin’ity fiofanana ity ny fanatsarana ny fahalalana sy ny fomba fiasa ho an’ireo mpisehatra rehetra ary tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa isan-taona (PTA) ao anatin’ny tetikasa Fahasalamana ho an’ny Tanora izany
Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Fitaleavana misahana ny Fahasalamana ara-pananahana sy ny Fiarovana ny Tanora (DSRPJ) sy ny FISA, ary tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE), izay manome lanja manokana ny olombelona na ny « Capital Humain »
Eto Madagasikara, manodidina ny 70 % ny mponina no latsaky ny 30 taona, izay manasongadina ny maha zava-dehibe ny fanohanana araka ny tokony ho izy sy voarindra an’ity sokajin-taona ity.
Mifanaraka amin’ny tanjona napetraka ao anatin’ny Fandaharan’asa fahasivy eo amin’ny fiaraha-miasa (2024–2028) eo amin’ny governemanta malagasy sy ny « Fonds des Nations Unies pour la Population» (UNFPA) ity fiofanana ity, izay manasongadina ny andraikitry ny tanora amin’ny fampandrosoana maharitra








