Fanolorana ny fitantanana ny gymnase Arena Toamasina amin’ny Elite Communication.

Tontosa araka ny tetiandron’ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra, Andriamatoa Ntsay Christian ny fametrahana ny fitantanana ny Arena Toamasina, eo ampelatanan’ny orinasa tantanana tanora sy mpandraharaha eny anivon’ny Faritra.

Natolotry ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa Moustapha Marson ny orinasa Élite Communication ny sabotsy 13 septambra 2025, ny fanalahidin’ity toeram-pialana voly sy fanaovana fanatanjahantena ity. Nialohavana ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta izany.

Nofaranana tamin’ny lahateny nifandimbiasana ny lanonana. Nandritra izany no nanantitranteran’ny Minisitra, Abdulah Marson Moustapha ny maha zava-dehibe ny fahaizana mikolokolo ny fananana iombonana tahaka ny Arena, andaniny. Ny fahaizan’ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena manararaotra ny fisian’ny foto-drafitrasa tahaka itony, ankilany.

Marihina fa nanome voninahitra ny fotoana ny minisitra mpiahy ny Faritra Antsinanana, ny minisitry ny Asa Vaventy Rafidison Richard Théodore. Ny avy amin’ny fiadidiana ny goverinoran’antsinanana sy ny prefektiora, ary ny fiadidiana ny Kaominina Ambonivohitr’i Toamasina.