Fanolorana marim-pankasitrahana ny Barea an’i Madagasikara teny Iavoloha.

Taorian’ny fandraisana makotroka ny Barea an’i Madagasikara teny Mahamasina dia notoloran’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, marim-pankasitrahana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ireo mpilalao sy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra ny alatsinainy 01 septambra 2025.

Mendrim-piderana ny zava-bitan’ny Barea. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Moustapha Marson, dia nisaotra manokana ireo tomponandraikitra rehetra tsy ankanavaka eo amin’ny sehatry ny baolina kitra ny tenany, ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena, ireo vady aman-janaky ny mpilalao, ireo mpankafy sy mpanohana ny Barea ary indrindra ny filoha Andry Rajoelina izay angady nananana sy vy nahitana tamin’izao fahombiazana goavana izao.