Fanolorana marim-pankasitrahana

Notoloran’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, MARSON Moustapha , ny certificat de reconnaissance ny 29 sy 30 Jona 2025, Andriamatoa JEAN-CLAUDE sy  andriamatoa RANDRIANJATOVO Nicolas Xavier, mpiasa eto anivon’ny Minisitera.

Ho an’andriamatoa JEAN-CLAUDE dia, izy no tale Jeneralin’ny ANS (Académie Nationale du Sport) amin’izao fotoana. Efa mpampianatra ny taranja EPS tany amin’ny lisea ny tenany, nisahana ny andraikitra tale mpanatanteraka ny tetikasa tany amin’ny faritra Fianarantsoa, efa talem-paritra misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena tao Toliara, nisahana ny andraikitra Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena teto anivon’ny ministera. Nisy ihany koa ny lalana nodiaviny ara-politika : ben’ny tanànan’ny Kaominina Mananjary ary Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Mananjary.

Ho an’Andriamatoa Randrianjatovo Nicolas Xavier dia, Membre du Cabinet eto anivon’ny minisitera ny tenany ankehitriny, ny volana novambra 1995 izy no nanomboka niasa teto anivon’ny MJS, efa niara-niasa tamin’ny minisitra miisa 28 nifandimby. Nanao asa maha Conseiller Technique sy Chargé de mission, ary nandray anjara mavitrika tamin’ny fikarakarana ireo lalao sy hetsika nasionaly sy iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena sy ny tanora.

Mendrika ho alain-tahaka ny zava-bitan’izy ireo ary fitaratra ho an’ireo mpiasa eto anivon’ny minisitera sy ny asam-panjakana.