Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny ASIEF 2025 tao Mahajanga

Ny zoma 1 aogositra 2025, tao Mahajanga, no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana, ASIEF 2025. Minisitra mpikambana eo amin’ny governemanta maro no tonga nanotrona izany lanonam-panokafana izany.

Ho an’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia ny Sekretera Jeneraly, Ramatoa Andriamparany Mioty, no nisolo tena ny Minisitra Moustapha Marson nandritra ny lanonana.

Haharitra 15 andro ny hetsika ary samy nahatonga solontena avokoa ny sampan-draharaham-panjakana manerana ny nosy.